Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-24
8 Valo ambin'ny folo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohesta zanak'i Elnatana avy ao Jerosalema.9 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy. 10 Niakatra hamely an'i Jerosalema ny mpanompon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona tamin'izany, ka natao fahirano ny tanàna.
11 Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan'ny tanàna koa Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona. 12 Tamin'izany dia nivoaka nankao amin'ny mpanjakan'i Babilona Joasina, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny reniny, ny mpanompony, ny manam-boninahiny sy ny eonokany, dia nataon'ny mpanjakan'i Babilona sambo-belona izy, tamin'ny taona fahavalo nanjakany. 13 Nogoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon'ny Tompo sy ny rakitra tao an-tranon'ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon'i Salomona, mpanjakan'Israely, tao an-tranon'ny Tompo, araka izay efa voalazan'ny Tompo rahateo. 14 Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin'ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin'ny tany ihany no sisa tafajanona. 15 Nentina ho any Babilona Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilona ny renin'ny mpanjaka, ny vadin'ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin'ny tany. 16 Fanampin'izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin'ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babilona ho babo any Babilona daholo. 17 Ary ny natsangan'ny mpanjakan'i Babilona ho mpanjaka hisolo an'i Joasina, dia Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany.
